Mr Sayda (Misié Sayda)
Nampiditra : miandjah
Tamin'ny : 03/11/2015 12:05:48
Mombamomba :
Sayda no anaram-bositra fiantsoana ahy taty an-tanàna (Ampandrana – Bel Air) hatramin'ny faha-14 taonako. Namako iray no nametraka an'io ka tsy nikaroka lavitra intsony aho tamin’ny taona 2005 raha nanomboka nihira fa avy dia nampiasa io fiantsoana io. Notovanako hoe Misié kosa izy taty aoriana, izay midika hoe "ramose", ho marika fa efa nihalehibe taona aho ka nanaraka izay ihany koa ny fomba famoronako sangan'asa. Raha ny ao anaty kopia dia ANDRIANIFAHANANA RAZAFINTSALAMA Miandravola Rojotiana no anarako feno.
Raha ny gadona tena voiziko dia ny "Roots" izay midika hoe “Faka”. Tsy manaraka loatra ny an'ireo jamaikanina, izay mivady betsaka amin’ny reggae, na marimarina kokoa ny Ska sy ny Rocksteady ; fa mirona kokoa amin’ny fitrandrahana ny ba gasy sy ny endrika zavakanto nentim-paharazana malagasy (jijy, hainteny, sôva,...) taty aoriana nefa izay nifanakaiky fitsatoka amin’ny “raggamuffin” jamaikanina.
ITY NO PEJY AHAFAHANTSIKA MIFANDRAY:
https://www.facebook.com/Mr-Sayda-Label-RLP-114334095302805/?fref=ts
Lisitry ny hira
Hampiditra hira- 'Lay andro hodianao
- 'Lay sipa ohatra anao
- Allô
- Ampianaro Aho
- Bavy
- BG an'i Jesosy (ft Pit Léo)
- Diary volamena
- Esie ry malala
- Fa nofy ny anareo
- Faya Faya
Hevitra mandeha
Kiady KYLIAN (19/04/2021 04:49:23)
Lantoandryeric (12/02/2021 17:58:47)
Mercc Misié Sayda fa tena tiako be daholo le vazonao rehetra a!!
cv b dol l iz d mitomb fill-ing fon e! Sur
stuvainzay (31/07/2020 07:15:54)
JYUMI_RM (15/02/2020 05:42:37)
christianrandriambola412 (08/05/2019 06:50:28)
cava rangah le vazonarw baiin a!
Freddyco (18/02/2019 07:06:02)
Tiako be daholo ny hiran'i Mr. Sayda.
loveriah (20/01/2019 19:31:50)
REVEKO BE DAHOL LE VAZ N SAIDA A!
nirina_kaij (12/12/2018 10:48:16)
mba mangatak ilai tonon'ilai vazo news ny sayda