Nenina (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsapako hoe feno alahelo ny andro hariva
Masoandro mody mampahatsiaro ny olon-tiana
Tapin-dalan-kaleha izaho, tsy afaka hiverina any aoriana
Hamafa ny ranomaso nampizakaiko anao
Fa misy teny mahery, sa ny fitia no malemy
Ka lasa neniko ankehitriny ny nataoko anao tamin’ireny
Niseho matin-kambo aho, namilafila
Ny embona sisa mamiravira
Zatra tabatabanao ny foko, izao tokana irery sy mangingina

Fifamaliana no nifanaovantsika veloma, malalako o
Ny fitia manan-kambo ka tsy mahay mifona
Fahadisoako, ekeko
Malahelo aho, manenina malahelo aho
Izao ianao efa eny an-tsandrin’olon-kafa
Manirery aho, mangina manirery aho
Izay rehetra niainantsika koa angamba voafafa

Nenina tsy aloha fa ao afara
Raha misy olona tianao, karakarao tsara
Aza ampahoriana izy , aza avelanao hiala
Any aoriana hitady anazy ianao ka mety efa tara

Taraiky eo
Taraiky eo
Taraiky eo

Dia hitako ianao omaly fa ianao tsy nahita an’ahy
Efa miara-dalana ianareo roa
Sambatra ianareo mifampitantana
Tsy afeniko fa marary
Angamba raha azoko natao, ny hamerina eto amin’izao
Ilay fotoana izay nifamaliantsika tsy avelako handao
Ianao iny fa notazomiko
Ny hambom-po nokoboniko
Nomeko anao ny fitiavana rehetra izay nangoniko

Fifamaliana no nifanaovantsika veloma, malalako o
Ny fitia manan-kambo ka tsy mahay mifona
Fahadisoako, ekeko
Malahelo aho, manenina malahelo aho
Izao ianao efa eny an-tsandrin’olon-kafa
Manirery aho, mangina manirery aho
Izay rehetra niainantsika koa angamba voafafa

Nenina tsy aloha fa ao afara
Raha misy olona tianao, karakarao tsara
Aza ampahoriana izy , aza avelanao hiala
Any aoriana hitady anazy ianao ka mety efa tara

Taraiky eo
Taraiky eo
Taraiky eo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 11796
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/07/2019 10:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716