Ampianaro Aho (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza avela fa Tia anao aho
Hoento any aminao any hoento anao aho
Aza avela fa Tia anao zaho
Mbola tena Zaza mbola tena Mila anao zaho

Nisy nampifaly, nisy nampahory
Indraindray nampijaly, tsy nampahita tory
Dia nahasaropiaro indraindray toa nankarary andoha
Efa saika hiverindalana Aho fa tsy zakako
Dia mbola io ianao ilay ohatry ny omaly
Tsy laitran'ny ozona tsy mety marary
Dia mbola io ihany koa Aho ilay ohatry ny omaly
Na himenomenona eo Aho na mbola hifamaly
Dia mbola io ihany isika roa ohatrany omaly
Taratasy miforiporitra io fa tsy miova ny sary
Ka mbola ho tohizantsika roa miara makany
Na hiaraka hiomehy isika na hiara hitomany

Hanaraka anao ho toy ny alokao
Na aiza n'aiza alehanao
Hanaraka anao ho toy ny alokao
N'a aiza n'aiza alehanao
Eo foana Aho Dia eo foana ianao
Malala o AMPIANARO mitia Aho
Eo foana ianao Dia eo foana Aho
Tsy misaraka fa miara mandeha

Aza avela fa Tia anao aho
Hoento any aminao any hoento anao aho
Aza avela fa Tia anao izaho
Mbola tena Zaza mbola tena Mila anao aho

Dia mba hoento any Aho fa aza avela eto
Andraraho fitiavana manentoento
Raha misy ny tsy aiko Dia mba AMPIANARO AHO
Raha latsaka andavaka Ampiakaro aho
Dia mba hoento any Aho fa aza avela eto
Andraraho fitiavana manentoento
Raha misy ny tsy aiko Dia mba AMPIANARO AHO
Raha latsaka andavaka Ampiakaro aho

Hanaraka anao ho toy ny alokao
Na aiza n'aiza alehanao
Hanaraka anao ho toy ny alokao
N'a aiza n'aiza alehanao
Eo foana Aho Dia eo foana ianao
Malala o AMPIANARO mitia Aho
Eo foana ianao Dia eo foana Aho
Tsy misaraka fa miara mandeha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mr Sayda (Misié Sayda)
Vangy : 4801
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : niainaeddirandrianasolo
Daty : 12/03/2022 21:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135