faniriako izany (Meehant' rakoto)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Faniriako ny hitoetra anilanao mandrakizayTsy hisy olana fa fitiavana no iainana ao, fehizay
Tsy hisy tomany fa tsikitsiky hatrany
Fitiavana tsy mety lany sady mamy dia mamy
Iriko ny mba iaina an’ izany
Eo anilanao mandrakizay
Tsy ho roa intsony fa ho iray
Hiaiana ampitiavana ‘lay faniriako
Ho anao, ankilanao
Faniriako ny ho andefimandrinao anio izao
Hisalotra ihany koa ny anaranao, eny ho anao
Tsy hisy mpanatsafa fa efa fiainana hafa
Fitiavana mitombo hatrany sady mamy dia mamy
Iriko ny mba hiaina an’izany
Eo anilanao mandrakizay
Faniriko hatrizay
Tsy ho roa intsony fa ho iray
Ho anao ieeeh, ho anao,
Ho anao ieeeh, ho anao,
Fa dia potika sy rotika aminao aho, potika sy rotidrotika aminao aho
Manaiky ny hitoetra eo anilanao aho, te mba hidongy tsy te hiala aminao ‘zaho
Fa babo tanteraka sy tapak’elatra, fa vita borne k’hanaraka ny norme
Sady efa tapaka tsy afak’hisampana Fa tody aminao ny lalako izao
Tsy misy intsony iriko fa dia ianao no safidiko
Ary koa hanokanako ny diako
Tonga lafatra aho manana anao
Tsy anjely fa mety amiko tsotra izao
Faniriako ny hitoetra anilanao mandrakizay
Tsy hisy olana fa fitiavana no iainana ao, fehizay
Tsy hisy tomany fa tsikitsiky hatrany
Fitiavana tsy mety lany
Tsy misy intsony iriko fa dia ianao no safidiko
Ary koa hanokanako ny diako
Tonga lafatra aho manana anao
Tsy anjely fa mety amiko tsotra izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Meehant' rakotoVangy : 20
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rakt4191
Daty : 22/11/2024 11:58