Te ho mamo (Meehant' rakoto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Te ho mamo aho, te ho mamonao
Te ho mamo anie aho, te ho mamonao
Eh! eh!
Te ho mamo aho, te ho mamonao
Te ho dozy anie aho, te ho dôzinao,’nao, ‘nao

Mamo aho malala ah! Ka tsy afaka miala
Tena mamo ny foko! ka tsy te hiova loko
Mamon'ny fitia! niaraha-nigoka aky aa
Ampio, Ampio ihany! Fa te ho mamo tampina aho ‘zany

Te ho mamo aho, te ho mamonao
Te ho mamo anie aho, te ho mamonao
Eh! eh!
Te ho mamo aho, te ho mamonao
Te ho dozy anie aho, te ho dôzinao,’nao, ‘nao

Dia aza gaga ianao fa Poeta no niteny an’zao
Hoe tsy ny toaka ihany, no mahamamo ohatr’izany
Fa mampangetaheta, ny fitiavana sy ny etsetra
Tsy hoe ho ahy irery ihany fa ho antsika rehetra
Fa menatra ny fiarahamonina, raha tsy mahalala onina
Ka raha te ho mamo, mijanona ao an-trano
fa tsy ny toaka ihany no mahamamo ohatr’izany,
Fa ny fitia koa, ndao ary hirevy aloha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Meehant' rakoto
Vangy : 65
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rakt4191
Daty : 22/11/2024 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3939