Vadiko (Meehant' rakoto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Betsaka tokoa ireo teny,afaka ilazana ombieny
Hanambarana koa fa hoe tia, na eto Gasikara aho na any Paris
Fa ny ahy gasigasiako ihany, tsapako kokoa hoe tena mamy
fa tsy voatery hoe “baby” na “my love”
Na “my number one”,”my go”,”my gyal”,na ”I love ….you”
Ka n’iza n’iza hitsara ahy,’zaho Malagasy nofo sy rà
Manam-pitiavana,fa tsy hoe miavona
Raha toa ny teniko no tsy afeniko
Ka hiantsoko an’ilay nofinidiko
Vadiko,mamiko,sombinaiko,lalaiko
No iantsoako anao malala , satria : vadiko mamiko
Vadiko,mamiko,sombinaiko,lalaiko
No iantsoako anao malala , satria : vadiko
‘zah mandala ny maha gasy an’ahy
Tsy ndeha hisavika hoe vazaha
Teneniko teny gasy ny fitiavako
Am’zay mipaka tsara ao am-ponao rahavako

Tsy hoe tsetsatsetsa tsy aritra, fa ny ahy apetrako mba haharitra
Ka asandratro avo ny ahy ny teny, nolovaiko tamin’ny dada sy neny
Io foana no entiko maneho fa tiako ny tiako ka aseho
Fa ny teny gasy ihany no tena mamy raha haneho fitiavana izany
Vadiko,mamiko,sombinaiko,lalaiko
No iantsoako anao malala , satria : vadiko mamiko
Ka n’iza n’iza hitsara ahy,’zaho Malagasy nofo sy rà
Manam-pitiavana,fa tsy hoe miavona
Raha toa ny teniko dia tsy afeniko
Ka hiantsoko an’ilay nofinidiko
Vadiko,mamiko,sombinaiko,lalaiko
No iantsoako anao malala , satria : vadiko mamiko
Vadiko,mamiko,sombinaiko,lalaiko
No iantsoako anao malala , satria : vadiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Meehant' rakoto
Vangy : 60
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rakt4191
Daty : 22/11/2024 11:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0795