Akama bonne (BEAUZAKA (Tarika Mala))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AKAMA BONNECouplet 1
Izy letsy
ilay akama bonne
Mpijaoky kalesy
camion deux tonnes
Raha sendra ka misy
Tsy fahampiana tampoka
Camion-ny mihitsy
No ataony antoka
Izy letsy
Dia malala-tanana
Tsy mba fetsifetsy
Fa tena tia namana
Raha sendra ka tapaka
Ka mandeha mankany
Tsy mila mangataka
Fa omeny avy hatrany
Refrain
Izy letsy raha mahita sosy
Tonga dia tia ny mizara
Toeram-piasany etsy vasakaosy
Etsy andrefan'ny gara
Raha sendra MI-COINCE
Dia miantsoa PHONE
Tsy maintsy POINSA
Amin'ny akama bonne
Couplet 2
Izy letsy
Ilay akama bonne
Anadahan'i NESY
Zaodahan'i YVONNE
Raha ny finanakaviany
No mba te hisahirana
Ny zavatra tiany
Dia voasary mankirana
izy letsy
Ilay akama bonne
Manala hamohamo
Amin ny WILSON
Raha te ho dozy
Ka sendra mankeny
Tsy mila mikozy
Fa hampireveny
Refrain
Couplet 3
Izy letsy
Raha sendra ka tonga
Hitsofa-mozika
Hivelesana amponga
N'inona andro
Ahitany antsika
Toa isan'andro
Ilay ZOMA manifika
Refrain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : BEAUZAKA (Tarika Mala)Vangy : 673
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 08/05/2021 10:06