Double robinet (BEAUZAKA (Tarika Mala))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DOUBLE ROBINET

Refrain

Sambatra ihany ny lehilahy
Manana vady mahery fo
Ny fiainana mantsy dia mafy be
Tsara ny double robinet
Sambatra ihany ny vehivavy
Miasa manampy ny lehilahy
Ny fiainana mantsy dia mampihomehy
Tsara ny double robinet e

Couplet 1
Soadesinina a
Dia tsy mba miketraka
Mafy ady izy fa tsy mikonetaka
Mifoha maraina
Amin'ny andro ririnina
Tsy maintsy miasa
Fa tsy fidiny tsinona

Soadesinina a
Dia tsy manaiky resy
N'inon'inona
Tsy fahampiana misesy
Be herim-po
Fa tsy mba matahotra
Mandroso foana e
Na mora na sarotra

Miloloha anana vao maraina
Entiny amidy eny an-tsena
Izay vola azo no
Antenaina
Hividianana vary
Hividianana hena
Tonga any antrano izy
Tsy malaina
Fa lasa manondraka zaridaina
Ny vokatra androany
No nantenaina
Entina hamidy
Rahampitso maraina e

Refrain

Couplet 2

Bizilinina a
Dia tsy mba mihavona
Mora hita
Rehefa tadiavina
Mamy hoditra izy
Amin ny fiaraha-monina
Tapitra mahafantatra azy
Daholo ny olona
Bizilinina a
Dia mahay mitsakaraka
Raha mitarika izy
Dia be ny manaraka
Masiaka be fa be ronono
Raha mandeha alina
Dia tsy misy mpamono

Zavatra hainy ny bizinesy
Ataony milamina dia misesy
Ka na ny vahiny na tompon- tany
Tsy miala aminy
fa mahita mamy
Nihezaka mafy izy
Tamin'izany
Ho REGLO hatrany hatrany
Satria fony izy ARNAKERA
Dia douze METIERS
Fa treize MISERES a

Refrain

Couplet 3

JEFILININA a
Dia hafakely
Mahay mi- geste a
Fa madimozely
Raha hiodina izy
Dia ohatran'izay
Mitaingina QUAD
Eny MARAIS MASAY

JEFILININA a
Dia BACC PLUS
Miteny frantsay
Sy miteny anglisy
Izy jejojejo
Fa tia fianarana
Nahatonga azy
Ho lohalaharana
I JEFILININA tsy mba tia
Bandy bogosy poketra vy
Raha vao miresaka ny dépense
Ny Bandy ilainy
Manome CONFIANCE
Haingana ny azy
Ny DECISION
Torak'izany koa
Ny ACTIONS
Koa raha mitaraiky
Sy midororo
Dia ampatoriany
Any ambany kidoro

Refrain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : BEAUZAKA (Tarika Mala)
Vangy : 584
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heryfitiavana
Daty : 08/05/2021 10:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074