Lezionera (BEAUZAKA (Tarika Mala))

LEZIONERA

Refrain
Tsy maintsy hobabeko
Ny barda mavesatra
Hoentiko hamaky
Lalana dezaka
Satria efa niriako
Ny ho lasa lezionera
Raha toa izany
Hampijoro tsy hitofezaka

Couplet 1
Dia veloma ianao ry dada
Masina koa ianao ry neny
Ny lelako mibadabada
Vahotra aho raha hiteny
Enga anie ny ranomasonareo
Hiroraka ho tso-drano
Hihatsara ny diako
Tsy hisy angano
Eo ianareo ry zoky
Otronin'ireto zandry
Izaho anie dia mahatoky
Hovitako ny adidy miandry
ETsiky dia ampynga anie ilay fitiavanareo
Homba ahy hatrany hatrany
Hahamora ny hamafin'ny
Adiko any

Refrain

Couplet 2
Etsy horohako i malala
Dia fafao ny ranomaso
Ny tenako no handeha hiala
Ny fitiavako andraso
Enga anie ilay dina izay natao
Haharitra mandrakizay
Hampisy ny fihaonantsika
Eto indray
Dia veloma ry tanana
Nahalehibe sy nahatamana
E fafao ny tomany
Mbola hihaona indray andro any
Enga anie ny fiverenako eto
Mbola mba hifankahita
Amin'izay fotoana izay kosa isika efa TAFITA

Mpihira : BEAUZAKA (Tarika Mala)
Mpamaky : 138
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : heryfitiavana
Tamin'ny : 08/05/2021 08:07:02
ID : 13459

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo