Solemita (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouuuuu
Yeah yeah yeah ô

Misaotra an'Andriamanitra aho
Fa notolorany ho ahy
Ilay tian'ny fanahiko
Izy tompon'ny fitiavana
No mbola angatahana
Ny Fanahy Masina handrakotra 'ty fiainanay

Fa na ny ony maro aza
Tsy hahafaty ny afom-pitia
Satria ilay Ray izay nitahy azy ihany
No mitsodrano azy

(Feon-kira)

Hummm ataoko eto anatrehany
Ny voady tsisy fetrany
Ho tia anao mandrakizay
Ny Heriny no iankinako
Fa olombelona ihany aho
Tsy hahatohitra ny fakam-panahy

Fa na ny ony maro aza
Tsy hahafaty ny afom-pitia
Satria ilay Ray izay nitahy azy ihany
No mitsodrano anay

(Feon-kira)

Izao isika iray (iray, iray ny fiainanay)
Satria izao no lahatr' Andriamanitra
Voafatotra ho iray (iray, iray fitiavana)
Ny sitrapon'ny Ray no nahatonga izao
Ka dera, saotra, laza no mendrika atao

(Feon-kira)

Dia izao isika iray (iray, iray ny fiainanay)
Satria izao no lahatr' Andriamanitra
...Ho iray (iray, iray fitiavana)
Ny sitrapon'ny Ray no nahatonga izao
Ka dera, saotra, laza no mendrika atao

Hummm hum
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 21481
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : rasoa15
Daty : 29/03/2016 10:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731