Baby (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Baby

Taiza foana ianao Baby eh
Taiza foana no tsy hita nandalo
Sasa-miandry anie aho Baby eh
Efa reraka aho fa tsy tonga ianao
Hamalifaly ahy

Ianao ihany anie tiana eh
No ilaiko hanasitrana jaly
Ianay indray tiako indrindra eh
Faniriko hatrizay ela izay
Ny ho tinao

Aza ilaozana intsony aho
Ary aza avela ho irery aho
Avelao mba hino fa hoe tia ahy ianao

Aza ilaozana intsony aho
Ary aza avela ho irery aho
Avelao mba hino fa hoe tia ahy ianao


Mage 4
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mage 4
Vangy : 4442
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Hasimbola
Daty : 29/12/2001 18:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752