Rakalakely (l'henoumet)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niainga teo Soarano ny fiaran-dalamby
Ka voatery hisaraka ireo mpifankatia
Ranomaso sisa namonto ny mosoara
Ny and-Rakalakely raha niala teo amin’ny gara
Dia nitanondri-doha hamonjy ny fodiana
Toa verivery saina fa sarak’olon-tiana ka mangina

Tsy nahatelin-kanina izy tonga tao an-trano
Reo masony ankiroa mbola feno rano
Mikorisa moramora nanorika ny tavany
Mankentana ny molony mangidy koa ny vavany
Satria ilay olon-tiany izay lasa nianatsimo
Natahorany mafy fa ndrao dia manadino ireo dina

Nony afaka herinandro na mahery kely angamba
Nisy voay nitady hisosoka fa lasa ny mamba
Niseho nanambitamby nitondra teny mamy
Nefa Rakalakely tsy niraika tamin’izany
F’efa lasan’ny malalany tanteraka ny fony
Ka tsy afaka hitia olon-kafa intsony izy ry lerony

Nisosa teny ny andro nitambatra ho taona
Dia io Rakalakely fa toa niala saona
Nahazo taratasy avy any Antsirabe
Taratasy tsotra izay nilaza hoe
Ny vatako salama f’izao ny vaovao
Ho avy aty ny akama rahampitso
Ka tsenao eny amin’ny gara

Dia tonga teo Soarano ny fiaran-dalamby
Nifankahita indray ireo mpifankatia
Anjaranao sisa manohy ny tantara
Sy izay rehetra niseho teo amin’ny gara
Niposaka indray ilay volana tantely
Ka feno hasambarana ny fon-dRakalakely
mamikely
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : l'henoumet
Vangy : 221
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 28/03/2023 09:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1116