1409 (l'henoumet)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fialan-tsasatra tamin’izay
Raha sendra haka rivotra
Any Fandriana izaho ry lahy
Tao anatin’ilay fiara nandehanako
Dia nisy tovovavy iray tsy fantatro
Nifanila tamiko

Izany ka nampody mandry tokoa
Fa na tsanganana na bika tena soa
Izato endriny anie toa feno angoty
Maha te-hioty (2 fois)

Dia nisosa hatrany izany dianay
Nony tonga teo Ambatolampy
Narahin-dresaka nitsitapitapy
Nifanontany anarana izahay
Nifanakalo hevitra tsy niato
Rehefa tapi-nisakafo

Dia toy ny olona nifankazatra
Tsy mba amam-bolana afa aman-taona
Izato sanginy miharo tambitamby
Sady miampy vazivazy (2 fois)

Rehefa nisasaka ny lalana
Tsy nahateny firy intsony izy
Fa efa mila ho resin-tory
Vao dify kely Antsirabe
D’izao no teniny mangina fiangaviana
Dia tananao hiondanana

Dia nakimpiny avokoa ireo masony
Ka nankininy eo amin’ny tratrako ny handriny
F’izaho kosa maminany hoe toa izao ve
Ny fiainako eto an-tany (2 fois)

Dia nisosa hatrany letsy ilay fiara
Nanatona ity vohitra mamy
Misy ireo akama
F’izaho kosa letsy mbola tamana
Mihisinkisina ery malai-mihetsika
Hamonjy ny fialana

Dia nohifininy mafy letsy aho
Avy eo izy dia nanatona niteny
Hay ny anarako no nolazainy am-bava
Dia nampiany hoe malalako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : l'henoumet
Vangy : 248
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 28/03/2023 09:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714