Tsy raikitra (l'henoumet)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aoka hifarana eo ny fiarahantsika roa
F’izaho efa leo tena tofoka tokoa (2 fois)

Tsy indry anie tsy akory no tsy tiako
Fa mahasosotra ahy papandriko
Sakay kely rano masiaka dia masiaka
Vao miditra ny trano aho dia ataony roaka alika (2 fois)

Indray andro izay aho mantsy raha nitady andry
Dia nambanany antsy avy any andakozia (2 fois)

Ka tsy fantatro mihitsy izay antony
Fa saika nolakoiny ity vinantony
Tsy maha ho any intsony aho fa manirikiry
Ny aina hono mantsy tsy ananam-piry (2 fois)

Tia andry tanteraka aho ry kala tokako
Nefa toa mandreraka ahy ny ataon-drafozako (2 fois)

Koa aoka ihany akia fa tsy raikitra
Ny mason’i Papandry toa hanaikitra
Tena tsy mifankahazo izahay mianaka
Isika hono mansty tsy mahazo miaraka (2 fois)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : l'henoumet
Vangy : 190
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tynede
Daty : 28/03/2023 09:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759