SOMBITSOMBINY (Levelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sombitsombiny ihany io raha tantarako
K'aza manantena ho alavaina intsony
Ny andro lany omaly tsy ho  resaka ny anio
Nofinofy izany ho ahy sy anao
Tsy...tsy... Tsy ho adala ianao
Ny fitiavantsika angano foana ihany
Rediredy tao aza asiana tomany
Tsy...
Tsy ho adala ianao
Ny fitiavantsika angano foana ihany
Rediredy tao aza asiana tomany.
  
Dia hiome...
Dia hiome..
Dia hiome...
Dia hiomehezantsika indray ireny.

Tany efa naleha raha ny any aminareo,
Zay tsy handry ny ampitso hodiana any aminao
Mamy angamba ny hirahirantsika teo
Ho averina mangina ho arahin-gitara
Sa...
Sa...
Saingy tsy am-pony
Hirahira foana hirahira ihany
Tsy hitondra mankaiza f'hisy fihafarany
Sa...
Sa...
Saingy tsy am-pony
Hirahira foana hirahira ihany
Tsy hitondra mankaiza f'hisy fihafarany
Dia hiome...
Dia hiome...
Dia hiome...
Dia hiomehezantsika indray ireny.


Haja
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Levelo
Vangy : 5220
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rajy
Daty : 01/10/2009 13:22
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107