Mba tsy hiova aho (Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
And 1 (Feo roa):Ekeko ry Tompo fa ny manao ny asanao
Tsy mora fa sarotra tena mifamahofaho
Ny fihevitrao mantsy ry Tompo
Tsy mba takatry ny saiko
Ka mitady ho kivy tokoa
Ity mpanompo tsy mahasoa
Isan'andininy (Ny rehetra):
Nefa n'inona hitranga
Izaho tsy hiova
Ny foko mahantra
Mbola hiova loko
Ianao irery ihany
No hanjaka ato am-poko
Mba tsy hiova aho, tsy hiova aho
And 2 (Feo roa):
Ny ady tsy vitan'ny hevitra tsy mifandray
Ny fitiavan-tena mandresy ny tsirairay
Ny fo lentika re ry Tompo
No aretina mandratra anay
Tsy misy mahay mifamela
Ka miemotra tsisy tavela
Isan'andininy (Ny rehetra):
Nefa n'inona hitranga
Izaho tsy hiova
Ny foko mahantra
Mbola hiova loko
Ianao irery ihany
No hanjaka ato am-poko
Mba tsy hiova aho, tsy hiova aho
And 3 (Feo roa):
Mifona aho ry Tompo fa be ny ota natao
Ny marina dia tsy mendrika ho olonao
Fa Ianao efa nanefy ahy
Handresy ny ratsy fanahy
Ka tohano tsy ho reraka
Ekeo, na dia tsy tanteraka
Isan'andininy (Ny rehetra):
Nefa n'inona hitranga
Izaho tsy hiova
Ny foko mahantra
Mbola hiova loko
Ianao irery ihany
No hanjaka ato am-poko
Mba tsy hiova aho, tsy hiova aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Koraita (Fjkm Androva Vaovao Famonjena - Mahajanga)Vangy : 85
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Harijesy
Daty : 12/11/2024 20:36