Tsara Ianao (IRAKA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atolory ahy ny herin'ny Fanahy,Ahafahako manao ny sitraponao
Hiderako Anao.
Manatreha anay, fenoy ny fonay,
Hizarako izany fitiavanao,
Voninahitrao.
Hilaza aho hoe: Tsara Ianao !
Malala eo imasoko eo Ianao,
Jesosy ô! Maniry ny hitoetra anilanao
Henoy ny feo miantso Anao
Asehoy ahy ny tena lalana,
Ahatongavako eo anilanao
Hanakaiky Anao,
F'ianao no antom-pisiako ety,
Ho vavolombelona, ho Anao,
Fahamarinanao.
Hilaza aho hoe: Tsara Ianao !
Malala eo imasoko eo Ianao,
Jesosy ô! Maniry ny hitoetra anilanao
Henoy ny feo miantso Anao.
Ianao mpamela heloka,
Ianao mpanasitrana,
Tsy misy ny mihoatra Anao
K'izany no ilazako hoe Tsara Ianao.
Hilaza aho hoe: Tsara Ianao !
Malala eo imasoko eo Ianao,
Jesosy ô! Maniry ny hitoetra anilanao
Henoy izao feo miantso izao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : IRAKAHits : 354
Likes : 2 Like
Created by : IrakaTeam
Date : 24/06/2025 14:55
