VELOMA, MAHITÀ FAHASAMBARANA (Henri Ratsimbazafy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Veloma, mahità fahasambarana
Veloma, hitanao ny varavarana,
      aza mierika akory
      fa ny lalanao no zory !

Raha misaraka hono mantsy anie mazàna
misy ranomaso kely izay tsy tana,
koa azafady raha handeha ianao faingàna
mba tsy ho fendrofendro no ialàna.

Veloma, aza lany andro mialatsiny,
Veloma, aza tanisaina ny fahiny,
       aoka tsy ny amiko no ahiana
       f’izay mahasoa anao kajiana !

Eo ianao no miankanakana
      toa matahotra
izaho anie ka tsy misakana
       aza miahotra,
Aza asiana teny lava,
       aza amboarina
f’efa fantatrao mazava
    anie ny marina :


      samy tia
      efa vonona
      ianareo
      ’zaho aty
      efa mionona
      tsy toreo.

         Henri RATSIMBAZAFY
                       1976
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Henri Ratsimbazafy
Vangy : 4304
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 06/11/2003 17:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2473