Mamo (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indro ange tazano
’lay tovolahy fa mamo,
mandroroa fijery
sy toa niiteny irery, .
kanefa dia mikiry
hanairina ny tena
na efa impiry impiry
no hita fa mivena
1
Izaho anefa tsy mba zatra
misotro loatra akory
fa saingy indrisy rnisy ratra
sy sento mampahory.
Ho tsoriko aminao ny marina
mikasika ilay tiako,
izay nokasaiko ho ampankarina
ka indro novangiako,
kinanjo olon-kafa
no hitako nitafa,
nitositosy taminy
ka hitako fa maminy...
il
izaho anefa miasa mafy
na dia kely karama,
ary isan’andro izao miafy
iadanan-dry Madama.
Rahia sendrasendra ka tsy manana
na dia sigara iray
mangataka amin’ireo namana
mba s itrany ahay ;
anio faran’ny volana
no hany tsisy olana,
mba afaka midola
satiia mba misy vola...
Re£
Ka toaka no sotroiko
fa mamo koa ny foko,
mamom-pijaliana
navadik’ilay tiana.
Rado
1982
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Henri RatsimbazafyVangy : 2555
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 22/02/2002 01:06