ANAO NO NINDRAMIKO (Henri Ratsimbazafy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa na talenta, na fahaizana, na saina,sy izay rehetra nentiko ho nampiasaina,
dia voninahitrao
na dia toa kilalao
fa tsy misy na iray aza avy amiko
fa ANAO ireny NO NINDRAMIKO.
I -
Ny fiainako manontolo
hatramin’ny elabe,
dia narindranao daholo
na taiza no naleha,
ka ny hany holazaiko,
ny azoko hatao
dia izay takatry ny saiko
no isaorako Anao
II -
Ny tongotro aman-tanako,
ny feo, ny maso koa,
izay lazaiko hoe fananako
dia avy aminao avokoa.
Ka n’inon’inona lazaiko
n’inon’inona hatao
dia tsy vokatry ny saiko
fa fanomezana avy aminao. .
III -
’Zay rehetra nomenao ahy
na ny saina, na ny fo,
na ny tena, na ny fanahy
mba hamasino avokoa
Mba oneno re ny foko
tena ho tempolinao
ary dia Ianao no antsoiko
n’inon’inona atao
IV -
Dia iriko mba hitohy
’zany fitahiana izany
na ho lava na ho fohy
ny androm-piainako eto an-tany
Mba omeo ahy ny hery
sy ny toky avy aminao
fa raha izay izaho irery
tsy hahavita izay hatao.
Henri Ratsimbazafy
1989
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Henri RatsimbazafyVangy : 12758
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 21/02/2002 23:57