Tsilovy ny lalanay (Groupe Hiakan'ny Avo Mpandresy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sendra sampanana izahayToroy lalana aho Ry Ray
Tompo ô! amindrao fo
Fa mpanota tsy mendrika ho Anao
Ka arovy re! mba tsy ho very dia
Tompo ô! tantano ny diako
Fa zava-poana anie izahay
Raha tsy eo Ianao ry Ray
Tsy afaka ny haleon-tena
Satria mila famonjena
Toloroy ny Tananao, mba hikasika
Fa Ianao ihany no mpanavotra ahy
Fiv : Ô! tsilovy re ny lalanay, Tompo ô!
Fa kitaontaona feno hantsana
Ka mifona mivalo aho
Tamin'ireo heloka
Izay vitako, teo Aminao
Na lalan-tsarotra aza Tompo ô!
No hizorako ety
Dia matoky fa Ianao no eo anilako
Ny fiandriananao no hiankinako
Raiso aho, ka anjakao
Fiv : Ô! tsilovy re ny lalanay, Tompo ô!
Fa kitaontaona feno hantsana
Ka mifona mivalo aho
Tamin'ireo heloka
Izay vitako, teo Aminao
-------------------------------------------------------------------------------------------------------
Merci à Dieu
A/C : Radoniaina Angelo
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Groupe Hiakan'ny Avo MpandresyHits : 751
Likes : 1 Like
Created by : Rado1349
Date : 05/09/2024 17:39
