Isalory hatrany ny fanevanao, arahabaina hianao tra-pamonjena (FEFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.
Arahabaina ianao tra-pamonjena
TENA FENO FOLO taona nanompoana
Arahabaina hianao tra-pamonjena
Noho ny fitahian’ny Tompo anao
Arahabaina ianao tra-pamonjena
Hiara hifampitantana indray
Mbola isaloranao ilay faneva hoe
“MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA”
Mifankatiava hatrany Miraisa saina koa
izany No hafatr’i Jesoa

FIV.
Mandehana mandehana ka mazotoa
mifahara mifahara amin’ny Tompo ianao
mijoroa mandrosoa
mbola maro ny ao anaty haizina
isika nofinidiny hanao ny asany
ny asan’izay (izay) naniraka
malala eo imasony ianao ka matokia
paradisa soa no lovanao

2.
FEFI ianao ka mitsangana
Mitsangana ka vitao ny asanao FEFI
Fefi hianao ka mandehana
Mandehana tanteraho ny adidinao
FEFI ianao ka mitambara
Mitambara fa ny baiko azonao
Mbola isaloranao ilay faneva hoe
“MBA HO IRAY IHANY IZY REHETRA”
Ka miorena tsara aza miova koa
Mahefa ka mitomboa

R. Tefinananahary Elia 2017
FEFI NASIONALY FPVM
57 ---> 67 ISA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FEFI
Visites : 36
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rado6185
Date : 17/03/2025 12:12
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1109