Andeha anaka miasa (Chorale Taratr'i Maria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- I Jesoa dia efa nanambara
Nilaza mazava tsara
Fa Izay eee, izay manam-pinoana e
Na kely ohatra ny voatsinampy o
Dia hahafindra tendrombohitra

Koa raha ny Rainao no efa mitaona anao hoe:
"Andeha anaka, miasa, any amin'ny
tanim-boaloboko anio"
Dia aza misalasala
Fa avy hatrany dia mitsangana
Fa ndrao ny vehivavy janga ooo
No hialoha lalana e, anao ou ou
Handova ny Lanitra

2- Ataovy antso avo oo
Ho ren'izao tontolo izao ee
Ny jamba nahiratra, nalady ny marenina
Niloa-bava ny moana
Ny kilemaina nihazakazaka
Lazara maty fa nitsangana
Noho izy ireo nino an'Andriamanitra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Taratr'i Maria
Vangy : 35
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ramanantsialonina
Daty : 05/02/2026 06:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0579