FANAHY MASINA (Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIV.2
Fanahy Masina o! Ianao no ato am-poko
Mitondra hery mba hijoroako,
Tsy manana an'iza aho, f'ianao no antenaiko
Ampianatra ahy, hanitsy ny làlan-kombako


MIV.2
Ianao no ato am-poko ka tsy hatahotra aho
Ianao no manome hery mampatanjaka ahy
Ianao ry Raiko, Ianao no antenaiko
Hanome ahy izay rehetra ilaiko.


MIV.2
Toe-panahy ilaiko avy Aminao ry Raiko
Dia ny fitiavana f'izany no ato an-tsaiko
Tsy kivy, tsy ho resy aho f'izay no fanantenako
Hivavaka, ireo izay maningotra ny aiko.


MIV.2
Na mafy na ho mora ny tafio-drivotra ety
Na ao ireo mpanakora tsy handrosoako ary
Ianao nilaza sy efa nanambara,
Hoe:"AMPY HO ANAO NY FAHASOAVAKO" (MIV. 3 farany)

CHORALE MAROMIZAHA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF)
Vangy : 678
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fraiderica2018
Daty : 19/02/2019 08:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1426