AVY AIZA? (Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
in-2
Manopy ny masoko amin'ny tendrombohitra aho
Avy aiza (avy aiza) ny famonjena ahy?

Ny famonjena ahy dia avy amin' YHWH
Mpanao ny lanitra sy tany
Tsy avelany hangozohozo ny tonotrao
Tsy ho rehindrehina ny Mpiaro anao

in-2
Ny masoandro (ny masoandro) tsy hamely anao nohon'ny andro( nohon'ny andro)
Na koa ny volana nohon'ny alina (nohon'ny alina)
YHWH no hiaro anao(hiaro anao) na mivoaka na miditra (na hiditra)
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

in-2
Raha mangetaheta nohon'ny hafanana aho
Avy aiza (avy aiza) ny loharano hosotroiko?

Ny loharano hosotroiko dia avy amin' YHWH
Mpanao izao tontolo izao
Izy mampiboiboika rano amin'ny tany karakaina
Sy mamelombelona ny fanahinao

in-2
Ireo fahavalo ('reo fahavalo) mitady ampimalo (mitady hampimalo)
Toy ny bibidia izay miremby ('zay miremby)
YHWH no hiady ho anao (hiady ho anao) fa ianao dia hangina (dia hangina)
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.

Manopy ny masoko........sns( in-2)


CHORALE MAROMIZAHA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Irak'i Kristy Jesosy Itory Filazantsara (IKJIF)
Vangy : 664
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fraiderica2018
Daty : 12/06/2019 19:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736