Avelao (Chantal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Nahatsiaro marary ianao nilaozany
Nitondra ny mangidy ianao fa...
Tsy tsapany hoe ianao no tena Tia azy
Naleony nitady Vaovao...
Ny rehetra rehetra efa nafoinao ho azy;
Hatramin'izay sarobidy indrindra.
Hanenina ihany izy any aorina any
Hiverina eo hitady anao indray  

REF : Avelao izy handeha
Hanalavitra anao any
Aza miaritra tomany
Fa tsofy rano izy
Ataovy an-tsaina hoe
Ny tia anao tsy izy irery ihany
Fa mbola betsaka any ho any
Afaka hitia anao mandrakizay

2. Izy ihany no tompon-tsafidy
Ianao tsy afaka hanery azy handidy
Manorata tantara Vaovao
Eo anilan'ilay tena tia anao ho mandrakizay.
Dia tsy ho latsaka intsony ranomasonao
Fa fianam-baovao lavitry ny alahelo
Ka fafao ny ranomasonao
Izy iny anie tsy anjaranao!

REF : Avelao izy handeha
Hanalavitra anao any
Aza miaritra tomany
Fa tsofy rano izy
Ataovy an-tsaina hoe
Ny tia anao tsy izy irery ihany
Fa mbola betsaka any ho any
Afaka hitia anao mandrakizay

Avelao izy handeha (3)
Avelao
(Fa tsy tia anao intsony)

REF : Avelao izy handeha
Hanalavitra anao any
Aza miaritra tomany
Fa tsofy rano izy
Ataovy an-tsaina hoe
Ny tia anao tsy izy irery ihany
Fa mbola betsaka any ho any
Afaka hitia anao mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chantal
Vangy : 4625
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 28/03/2020 16:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784