Zandry (Bruno RAISNER)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
A rô zandriko ô qvhj magnanatra anao ity aquqvqm zokinao
Hitsinjo ny ho avinao e, sanatria ka handratra anao
Hitako anao fa mbola tanora, mbola be ny sitra-po
Kanefa aza atao dila loatra arô
fa mitari-doza hanimba ny ho avinao zandriko ô

Magnanatry zaho (2) satria efa saika voa
Nanegniny mafy fa tsy nagnaraky anatr’i Papa sy Neny igny e
Magnanatra zaho (2) noho ny fitiavako anao
Tsy tiako arahinao ny lalan-dratsy saika nanimba igny hoa zandriko ô

Aoka rô a zandry e ! moramora hely anao
Io rendrarendra isan’andro io tsy hahavitanao fianaranao
Tsarovy tsara zandriko ô, i Papa sy mama tsy ho eo agnilanao hatrany
Hamelogna sy hiantoka izay rehetra ilainao sahala amin’izao fotoana a zandriko ô ô

Mbola hamelontena ianao sady mbola hianteheran’ity tanintsika ity
Hagnana andraikitra lehibe anao rô anao zandriko
Ka noho izany mahereza mianatra f’izany no lalan-tokana,
hiantoka ny ho avinao  rô a zandriko ô tononkira.serasera.org
ouh ! ouh ! ouh !
mahereza mianatra tsara zandriko
ouh ! ouh ! ouh !
Fa raha mahay anao dia tsy very a zandriko
ouh ! ouh ! ouh !

Zegny a rô zandry e ! mianara tsara f’aza maditra
Mitandrignesa anatr’olo maventy
Ny fianarana ihany no ataovy xixgd an-doha
Zegny a zandry a ! aza maditra a
ouh ! ouh ! ouh !

Bruno Raisner (1979)

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bruno RAISNER
Vangy : 17
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 26/08/2026 15:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0288