Kotro-baratra (Bruno RAISNER)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy diniko arô, tsy diniko edy e
Ny tsy hahita anao anatin’ny andro maromaro
Jerijery anao mafy izaho rô malalako
Izegny no mahatonga zaho
Mamangivangy anao matetika

Mafy ny herim-pitia arô
Hitanao fa na dia maizigna ny andro
Ny kotro-baratra, arahin’oran’andro
Tsy ataoko sakana tsy andeha atôy
Fôtôny tsy tantiko ny foko,
F’aminao foana ny eritreritro

Fitiavako anao donky efa dila loatra rô
Zaho ko tsy mahita anao karaha mararirary e
Nefa aretiko iny tsy mahita dokotera
Tsisy olon-kafa eky e, f’anao iraiky fanafodiny


Mafy ny fitiavako anao arô
Hitanao fa na dia maizigna ny andro
Ny kotro-baratra, arahin’oran’andro
Tsy ataoko sakana tsy andeha atôy
Fôtôny tsy tantiko ny foko,
F’aminao foana ny eritreritro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bruno RAISNER
Vangy : 21014
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/07/2002 14:08
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121