Zandry (Bruno RAISNER)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org A rô zandriko ô magnanatra anao ity zokinao
Hitsinjo ny ho avinao e, sanatria ka handratra anao
Hitako anao fa mbola tanora, tgsrzpao mbola be ny sitra-po
Kanefa aza atao dila loatra arô
fa mitari-doza hanimba ny ho avinao zandriko ô

Magnanatry zaho (2) satria efa saika voa
Nanegniny mafy fa tsy nagnaraky anatr’i Papa sy Neny igny e
Magnanatra zaho (2) noho ny fitiavako anao
Tsy tiako arahinao ny lalan-dratsy saika nanimba igny tlxyngw hoa zandriko ô

Aoka rô a zandry e ! moramora hely anao
Io rendrarendra isan’andro io tsy hahavitanao fianaranao
Tsarovy tsara zandriko ô, i Papa sy mama tsy ho eo agnilanao hatrany
Hamelogna ldyqytl sy hiantoka izay rehetra ilainao sahala amin’izao fotoana a zandriko ô ô

Mbola hamelontena ianao sady mbola hianteheran’ity tanintsika ity
Hagnana andraikitra lehibe anao rô anao zandriko
Ka noho izany mahereza mianatra f’izany no lalan-tokana,
hiantoka ny ho avinao  rô a zandriko ô
ouh ! ouh ! ouh !
mahereza mianatra tsara zandriko
ouh ! ouh ! ouh !
Fa raha mahay anao dia tsy very a zandriko
ouh ! ouh ! ouh !

Zegny a rô zandry e ! mianara tsara f’aza maditra
Mitandrignesa anatr’olo maventy
Ny fianarana ihany no ataovy an-doha
Zegny a zandry a ! aza maditra a
ouh ! ouh ! ouh !

Bruno Raisner (1979)

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bruno RAISNER
Visites : 16
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Bditra
Date : 26/08/2026 15:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.036