Ianao (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao mahalala ny lalina ao anatiko
Ianao ilay mpanala ny vesatra tsy tantiko
Ianao mahafantatra ny tombakasin-joko
Ianao mahatakatra ny hetahetam-poko
Ianao ilay fehizoro vato fananganana
Ianao ilay mpanoro ny landy ihavanana
Ianao ilay nitaiza, ianao ilay mpampianatra
Ianao ilay sakaiza ekeko ho filamatra

Ref:Izaho mino anao
Izaho mino anao
Ho lalam-baovao mahitsin’ny fitia
Oh Kristy

Ianao mahalala ny lalina ao anatiko
Ianao ilay mpanala ny vesatra tsy tantiko
Ianao mahafantatra ny tombakasin-joko
Ianao mahatakatra ny hetahetam-poko
Izaho mino anao ,Izaho mino anao
Ho lalam-baovao mahitsin’ny fitia
Oh Kristy


Tonony: Haingo
Feon: Bessa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 2147
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/09/2016 11:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0833