SAFIDY (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Safidiko ny ho tia anao
Tsy an-tery na fatotra
Tsy lahatra ny akaikinao
Fa safidy tsotra izao
Fitia matotra no tsapako ao
Ka na inona na inona miseho dia ho eo aho
Eo anilanao
Ka aza manahy fa izaho tsy hahafoy anao

Safidiko ny ho tia anao
Tsy an-tery na fatotra
Tsy lahatra ny akaikinao
Fa safidy tsotra izao
Fitia matotra no tsapako ao
Ka na inon na inona miseho dia ho eo aho hoy aho
Eo anilanao
Ka aza manahy fa izao tsy hahafoy anao
Ka na inona na inona miseho dia ho eo aho
Eo anilanao
Ka aza manahy fa izaho tsy hahafoy anao

Efa fantatro fa ianao toy ahy, tia ahy
Ka inoako fa tsy hisy olon-kafa hisolo toerana ahy
Ao am-ponao
Izaho tia anao
Safidiko ny ho tia anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 11990
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : ARO ANDRIARIMALALA
Daty : 05/01/2002 19:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744