Barimanga (Ft Telofangady) (Boboh Mahavanona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa mamiko Iarivo
Iarivon'ny mpanambola
Iarivon'ny rendrarendra
Honenan'i Rasoanirina

Fa tovovavin'Iarivo
Tsy mendrika ahy mavo ranjo
Ny fiainany ny azy lafo
Tsy zakako ho tafiana

Izaho ilay be malabary
Tsy mahita izay vilory
Zatra asa tanimbary
Mifoha maraina tapa-tory
Eny hoa Rasoanirina
Zanaky Rampanarivo
Lavitry ny fihafiana
Mihevitra ny tsy ho toha

Ilay patalohako "jersey"
Nataon'i Neny tsara didy
Atao fitondra mandeha
Amin'ny andro sarobidy
Fa zanak'olo mahantra
Tanavon'Ambohimangina
Tafiakatra izato Iarivo
Ka diboky ny hafaliana

Veloma ry Ambohimangina
Tsy hoe tsy tamana akory
Entanin-tsy fahampiana
Ny tanjaka no havozo
Ny sandry no dipolaoma
Nananan'i Barimanga
Miampy ny habadoana
Sariaka sy miran-dava

Fa mamiko Iarivo
Ilay vohitra ngôza lahy
Fonenan'ny mpanarivo
Fa tsy mba natao ho ahy
Ny foko tsy terimaosy
Ka hangotraka lalandava
Fa jiro fanao am-paosy
Kitiana dia mazava

Afoiko Ambohimangina
Hanainga aho fa TOVOLAHY
Hitady an-dRasoanirina
Tsy avelako raha tsy ho ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Boboh Mahavanona
Vangy : 2323
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 6bernt
Daty : 26/04/2019 17:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733