Andrimanitra ô (Boboh Mahavanona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Andriamanitra ô, ambarao anay oa izay tena marina.
Ny fiainanay ve, efa voatokana ny tsy hilamina
Tsy hitanao ve ity fiananay toa sangodim-panina
Miangavy Anao mba hidina fa misy lohan'angidina
Izahay zanakao

Fa may, may ny hahita anao oa
Ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao
Fa oay, magneto sy disque
No enti-manafana ny fidinanao
Avy any an-danitra

2- Andriamanitra ô, fa tsy mba misy afera ve hahazoanay miakatra any
Izay mibebaka ihany ve no hahita izany fanjakan'ny lanitra
Ialàna tsiny re, fa ny fotoana tena mbola sarotra
Tsy izahay no maditra, fa ny revy no tsy ritra
Fa mino Anao izahay
Fa may, may ny hahita Anao oa
Ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao.
Fa oay, Ray ilay be fitiavana
Ka afaka hanome potipotiny ho anay
Ondry mafy loha

3- Andriamanitra ô, ny loza mety hiseho re ambarao anay
Ny hafanana be, areti-maro, hain-tany sy ny sisa
Horohoron-tany re, namoizanay olona an'alin-kisa
Antsoy an-téléphone a (Antsoy an-tariby)
Raha misy cyclone a (Sanatria hoe tsunami).
Hiomananay indray

Fa may, may hahita Anao oa
Ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao
Fa oay, aza miandry ela Ianao
Raha hamaly ny antso an-taratasinay
Fa zava-marina

Fa may, may ny hahita Anao oa
Ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao.
Fa oay, magnéto sy disque
No enti-manafana ny fidinanao
Avy any an-danitra
May hahita Anao oa
Ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao
Fa Ray, Ray ilay be fitiavana
Ka afaka hanome famindra-po ho anay

Fa may, may hahita Anao oa
Ny zanak'olombelona amin'izao fotoana izao.
Fa Ray, Ray ilay be fitiavana
Ka afaka hanome famindra-po ho anay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Boboh Mahavanona
Vangy : 279
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fango12
Daty : 04/11/2023 12:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848