Iray isika (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iray isika e, satria zanany'Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian'i Jesoa
'Ndeha hifankatia
1- Izay zavatra hita maso ve no hanimbana ny fanahy
Ity tany be ankaso re tsy handraisana ny tsara
Avelao ny lolom-po fa tsy mahavonjy anao
Hampanjakao am-po Jesoa dia ho sambatra ianao.
Iray isika e, satria zanany
'Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian'i Jesoa
'Ndeha hifankatia
...
2- Ataontsika ahoana re ny hitia an'i Jesoa
Ireo hita maso aza toa halantsika ery
Ovay ny famindra fa fotoana mety izao
'Ndeha hiaraka hamindra ho amin'ny fiainam-baovao
Iray isika e, satria zanany
'Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian'i Jesoa
'Ndeha hifankatia
T/F: Sandaniaina Rinasoa Liliane
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa FinoanaVangy : 70
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamyboo
Daty : 21/10/2024 15:24