Iray isika (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iray isika e, satria zanany
'Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian'i Jesoa
'Ndeha hifankatia

1- Izay zavatra hita maso ve no hanimbana ny fanahy
Ity tany be ankaso re tsy handraisana ny tsara
Avelao ny lolom-po fa tsy mahavonjy anao
Hampanjakao am-po Jesoa dia ho sambatra ianao.

Iray isika e, satria zanany
'Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian'i Jesoa
'Ndeha hifankatia

...

2- Ataontsika ahoana re ny hitia an'i Jesoa
Ireo hita maso aza toa halantsika ery
Ovay ny famindra fa fotoana mety izao
'Ndeha hiaraka hamindra ho amin'ny fiainam-baovao

Iray isika e, satria zanany
'Ndeha hifankatia haneho fa mpianany
Hasehontsika e ny firaisam-po
Hoe tsy misy hafa fa samy tian'i Jesoa
'Ndeha hifankatia

T/F: Sandaniaina Rinasoa Liliane
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Visites : 24
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mamyboo
Date : 21/10/2024 15:24
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771