Nino aho ka dia niteny (Antsan'ny Finoana Ambodivary Soavina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antsan'ny Finoana no injao,
No injao fa miaraka, manandra-peo izao;
ka indro vonona ny ankalaza ilay Ray,
Izay nanambatra anay ho tena iray

Ndeha zarao, ny teny mahasoa;
Ambarao ho ren'ny maro koa.
ka dia mba handre ireo tsy mahalala izany;
Fa ao no harena izay tsy mety lany.

Azonao ny famonjena anio;
Matokia an'i Jesosy anio.
Izy anie no ilay Mpanjaka lehibe
Mpitarika amin'izay rehetra aleha.

Araka ny voasoratra,
Voasoratra manao hoe:
"Dia indro nino aho ka dia niteny;
Dia mino koa izahay ka dia miteny".
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Finoana Ambodivary Soavina
Vangy : 995
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fanafy
Daty : 09/03/2015 08:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793