Ny Ankohonana (A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Titre : Ny Ankohonana

1/ Am-pelatanaNao Jeso no apetrako izao
Ny Ankohonana izay nomeNao mba ho anay
Mba fenoy fitiavana sy fifaliana famindràm-po
ka mba tena ho Ankohonana hiadan-tsambatra eo Aminao

Ref : Ny Ankohonanay Tompo ô! Mba ampio anjakao
Arovy sy hamasino mba ho Anao
Na dia maro aza ny sedra ny tafiotra mikendry handrava
Ampianaro izahay mba hifamela heloka

2/ 'Reo RAY SY RENINAY Jeso mba omeo fiandanam-po
F'ireo no hany tokana mba harenanay ety
Aza avelaNao ho kivy na koa halahelo ao am-po
Fa mba tafio aim-panahy hiaraka amin'ny ankohonany

Ref : ...

A/C : Hasiniaina Wedneslass
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa)
Vangy : 12
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Isco
Daty : 26/02/2026 10:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0524