Ny Ankohonana (A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Titre : Ny Ankohonana1/ Am-pelatanaNao Jeso no apetrako izao
Ny Ankohonana izay nomeNao mba ho anay
Mba fenoy fitiavana sy fifaliana famindràm-po
ka mba tena ho Ankohonana hiadan-tsambatra eo Aminao
Ref : Ny Ankohonanay Tompo ô! Mba ampio anjakao
Arovy sy hamasino mba ho Anao
Na dia maro aza ny sedra ny tafiotra mikendry handrava
Ampianaro izahay mba hifamela heloka
2/ 'Reo RAY SY RENINAY Jeso mba omeo fiandanam-po
F'ireo no hany tokana mba harenanay ety
Aza avelaNao ho kivy na koa halahelo ao am-po
Fa mba tafio aim-panahy hiaraka amin'ny ankohonany
Ref : ...
A/C : Hasiniaina Wedneslass
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : A.Mi.A.Kri. EGSS - MCI (Chorale Amboaram-peo MItory An'i KRIsty Andrainjato Fianarantsoa)Visites : 11
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Isco
Date : 26/02/2026 10:31
