Izaho eo anatrehanao (Akom'Peo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny fiainako
Mbola fahasohavanao ihany
Ry Ray
Ny fanomezana ahy Anjara masoandro
Izay hiainako

Tena tsapako
Fa manana anjara tsara
Aminao aho
Ka ifikirako , tsy avelako handalo fotsiny
Ianao

**Lazaiko Anao fa
  Tena tiako Ianao
  Tena tsy foiko
  Afoiko ho Anao
  Izay ahy rehetra sy ny fiainako
  Izay sisa andro hiainako
  Fa raha izaho dia
  Tsinontsinona fa
  Mpanompo kely
  Tsy mendrika anao akory
  Koa mba raiso re ho zanakao


Mbola gaga aho
Nahita ny hakanton'ny
Asa-tananao
Voarindra tsara tsy misy kianina
Na ny tany na ny lanitra

Mba ahona re
Raha izaho no mba mahay toy izany
Mety hirehareha aho
K´ilaza hoe iza moa Ny TOMPO
"Tsy fantatro!"

**Lazaiko Anao fa
  Tena bitika raha
  Ny tenako
  Tsara ho ahy ny tsy mahalala
  Mihoatra noho Ianao
  Sao hirehareha aho
  Ny fiderana
  Anao no ataoko mameno ny foko
  Tsy misy hataoko mihoatra izany
  Raha ny ety an-tany
  Fa Ianao irery ihany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akom'Peo
Vangy : 856
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Akom'Peo
Daty : 31/03/2021 23:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8409