Afom'panavotana (Akom'Peo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry zanako ô! Toa tomany
Toa misento lava ianao
Alavon'izao tontolo izao
Ka toa mavesatra no lanjainao

**Ny fiainanao mandalo ihany
Aza variana amin'izao tontolo izao
Mitrakà ianao, aza ketraka intsony
Fa Izaho efa eto hitantana anao

Ry Raiko ô! Very aho
Feno faharatsiana ny ety
Fa maizina avokoa izay lalako
Very ny fanahiko

**Fantatro fa teo Ianao
Nitantana ahy hatramin'izay ny tananao
Nihazona ahy nanasoa ny tenako
Nanome hafaliana ny FO

**Nefa aho dia nandà Anao
Ninia tsy nahare izay antsonao
Nihevitra aho fa nahavita na tsy eo aza Ianao
Kay AFOM'PANAVOTANA ho ahy Ianao
Kay AFOM'PANAVOTANA ho ahy Ianao
Kay AFOM'PANAVOTANA ho ahy Ianao.........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Akom'Peo
Vangy : 508
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Akom'Peo
Daty : 26/03/2021 09:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728