kofboay (Agrad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa ady ela dia kivy
mandamaka ampandrina nefa ny andro efa amin'ny sivy
amelona aho fa tsy ho velomina
Vita ny hafa vitanay, fa ny ambopo mba domina

Ny anjara anie kanosa
Ilay tsy mpanonofy fa natao anatontonsa
mama tsy ho eo foana ka noho izany milofosa elà

Nomena ny sandry
ampiasao amin'ny tsara ry zandry
Anjaran'là miady
courage ela andana mitady

Ref: tandremo ela mitomany fitia
fady antsika bandy izany lety
ny ankanesantsika aty
ho sendraina mafy


mandia tany tsy maintsy lena
fa ny orana mikija
Mianara elà mba hahaleo tena
Tsy ankina amin'iza n'iza


na mora na ho mazana
Ny rehetra ho mpitazana
elà no mpilalao (2x)

Ezaho ny bossy raha havanana
raha tsy mety aleo ialana fa
ny ray aman-dreny aza fitahana
rahalahy

fa tadiavo ny vola letsy
na aman'alaina io na amanetse
tsy izay be diplome no tafa fa ireo izay fetsifetsy

Ref 3x

kapaina elà fa tsy mba hita fery e
iaretan'elà izay aretindoha kely e
grippa sy ny sery
ren'là izany (2x)
fa elà tsy mitaraina velively
aza adino fa elà soldat
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad
Vangy : 5906
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : amsayan
Daty : 23/01/2019 10:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784