Tsy irery ianao (ft Roy Rakoto) (Agrad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Couplet 1] Agrad:
Ho antsika zao tontolo zao tontolo zao Hoz Tony Montana.
Tsy vitako zah rery zany f'enao miampy anah.
Adinoko indraindray no mkozy we 'Mi amor'.
Na efa tsy akasarotina fiainana io tsy mihamora.
Lavitry ny karamany mpilalao an'i Madrid,
Tanana mba mangididy,
Fa ny azo tsy matevina otrany madri.
Raha misy boy hafa mkozy we nenareo no tafa!!
Za tsy hanatsafa,
Eo am-bava fa tsy any am-ponao zah no voafafa.
Tsy dia mahay miangoty,
Indray na indroa alina no irery toy ny kamboty.
Fa fanitelony ho avy izaho hivatsy iray alina @ valopy
Ataoko eo an-doham-pandrina,
Ampiko oroka @ handrina.
Tsy afaka hijanona ela aho,fa mbola be ny tanjona.
Raha tsiki² no tsy ampy, dia hoavy izaho hitondra.
Fa ianao sy mama mitovy,tsy mendrika fonja fa diamondra.

Refrain: Roy
Mba rahoviana vao hanana ny ampy
Ka eo anilany sisa no andaniko andro
Mba rahoviana miandry manantena
Tsisy adino izay nekeko
Hoe anao ny aty tsisy fetra

[Couplet 2]: Agrad
Ankoatra ny eny ambony kianja,zah tsy mahay mamitaka.
Ankoatra ny hoe mandia tany,zah tsy mahay manitsaka
Ye!!!!!!Tsy mampatsiahy fa manamafy.
Ianao sy ny mozika ihany hatreto no mpirafy.
Na maro aza ny mahafinaritra,
Ny manavao no sarotra,
Tsy taitra randram-bao fa mihonona amle niara-niharitra.
Zanaka mpanjaka ianao ka ataoko tsara ambina.
Tsy tompony teny mamy fa zay no voatsirambina.
Tsy irery ianao fa misy mpiahy,
Misy mpiaro,misy mahatsiaro.
Misy iray mievona na miavona aza ny maro,
Zay no mba fantaro.
Masoko havia any @sôsy,ny ilany manaramaso.
Ty ny tanako mitsotra,raha toa ka tojo ankaso

Roy Rakoto:
Tsy irery ianao fa misy mpiahy
Misy mpiaro misy mahatsiaro anao

Refrain:
Mba rahoviana.....

[Couplet 3]:Agrad
Tsy miandry ny vavanao hiloaka.
Fa faly izay ianao matoa matsiro foana ny loaka.
Tsy miandry anao hanoroka ahy eny imasom-bahoaka
Fa haiko hoe za ilay tena izy, fa tsy mba vakiraoka.
Fitsikinao dia ampy,
Fijerinao dia ampy,
Tsy ilako mpaminany,tsy ilako mpanompo sampy.
Tsy mety afa-po ka tsy mijanona mitady.
Fa tsy irery izany ianao,izay no ataovy Hashtag

Roy Rakoto
Tsy irery ianao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad
Vangy : 10259
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/06/2017 07:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113