Izay maharesy (AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina ))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Misy feo miantso anao mandona izany foFeo malefaka mambabo teny mamy koa
Izao angaha no feon'ilay Jesosy Tompo tia re
Izy tsy sasatra miantso anao hoe:
Mitandrema miambena mivavaha izao
Fa efa akaiky re ny fanjakan'ny Lanitra
Miadia ny ady tsara amin'ny andro sy fotoana
Indro Jesosy anie ka momba anao foana.
Ref: Izay maharesy no ataoko andry eo amin'ny Tempolin' Andriamanitro mandrakizay
Ary tsy hiala eo intsony izy fa ho mpidera hiankohoka amin'ilay Ray
Miomana miambena fa efa hoavy Jesosy
Eny amin'ny rahon'ny lanitra.
2 Rehefa maneno ny Trompetra ao an-danitra
Dia tsy misy azo atao fa izay no farany
Ry tanora sao variana sy manarana
Amin'izay fiainana mandalo eto izao
Itodiho ny lasa rehetra vita hatrizay
Moa misy fiainana tsy hisedra olana
Fa izay mandray an'i Jesosy ho Tompo sy Andriamanitra
Dia hahita fitsaharana
Ref : ....x2
Antsifan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AFAA ( Antsivan'ny famonjena Toby Neny Olga Ambolonkandrina )Vangy : 11
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mharck
Daty : 10/04/2026 12:19
