Ilay Jesosy Zaza (AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tamin'izay fotoana izay tao an-tanàna iray
Ilay Jesosy Zaza no teraka ho antsika ry olona o
Ka izao dia mifalia, miderà sy mihobia
Ilay Jesosy Zaza no teraka ho antsika ry olona o

Réf: Fa nanaiky hateraka tao am-pihinanam-bilona
Nanetry tena ho anao sy ho ahy
Satria Izy be fitiavana
Ny aleloia sy ny hosana no ataovy fiderana

2- Amin'izao noely, moa mba vonona ianao?
Handray ilay Mpanjaka manandaza ry mino o
Koa omano ary ny fo, hampandroso an'i Jesoa
Handray ilay Mpanjaka manandaza ry mino o


Réf: Ilay tsara noraisina, Tompon'ny voninahitra
Ampandrosoy hitoetra ao
Hizara fiadanana ho anao
Inona ary no andrasanao? Koa sahy milaza izao

Bridge: Fa tiko Ianao, tsara amiko Ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)
Vangy : 18
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ntsafi
Daty : 17/12/2025 13:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0281