You are here: home > Tononkira > 'Zay

Tsy ho vitantsika ('Zay)

Izaho toa tsy mety mino raha hoe izaho sy ianao no hifanadino
Raha ireo zavatra efa vita no hofafana tsy ho vitantsika
Na dia ireo masonao mijery ahy avy eo mikipy toy ny hoe maka fanahy
Dia mbola ho tazako eny foana na dia tsy eo anoloana
Fa any alavitra any ianao

Ka tsy hoataoko an-doha, tsy ho sainiko
Ny hoe hamafa anao ao ampo sy ny hoe hiaina tsy anilanao
Tsiky dia ampyTsy ho malalanao
Hatramin'izay hatramin'izao, eny mbola ho mandrakizay
Tsy misy afa-tsy ianao irery no antsoiko hoe fitiavako

Indraindray mba olona ihany
Misy fotoana koa mba manahy
Fa indraindray koa ireo fakampanahy
Mihelohelo manodidina ahy
Saingy raha vao mieritreritra anao
Toa tsy mampino tsy hita izay atao
Tsy te handrandrakandrna zavatra hafa intsony aho
Ilay foko efa jamba anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 72
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : rasoa15
Tamin'ny : 31/10/2019 17:24:30
ID : 12179

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo