You are here: home > Tononkira > 'Zay

REHEFA ANY ('Zay)

- Ny fiainana dia toy ny rehetra,
   tsy maintsy misy fetra.
   Tsy afaka hijanona ety ho mandrakizay...
   ’zay no lahatry ny RAY!
- Ka raha ho avy ilay andro voatondro,
   hialako ety an-tany.
   Ka hoesorina indray tsy ho eo anilanao...
   dia izao no ambarako ANAO!

  " Tsy mba hanana ahiahy aho rehefa any,
   Tsiky dia ampy tsy hanenina aho na dia kely aza,
    tsy hisento koa,na hitomany,
    f’efa teo anilanao tety an-tany...
    Ka hiandry am-pitsikiana ’lay fotoana,
    ’zay natokany hiaviana...
    Hanoy indray ’reo ’zay tsy vita,
    ’LAY FITIAVANA TSY METY HO RITRA...
    Hanoy indray ’reo ’zay tsy efa,
    ’LAY FIARAHANA TSY HANAM-PETRA... "

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 15441
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 17/09/2002 10:46:51
ID : 1031

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo