Hamerina ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hiverina indray hamonjy anao
Handrava sy hanova ireo nankalao
Hasambarana ho ahy sy ho anao
Hiaraka higoka ny mamy vaovao

Na hangatsiaka aza ka mety ho ngoly
Fa feno fanala ny maraina ety
Tsy maintsy hiainga, maika ny ho tody
Hamoha indray ireo efa matory
Ka hanova lay fahoriana ho fifaliana
Ireo tonta havaozina indray ho azo hiainana

Manantena aho fa mbola ao ianao
Efa miandrandra mafy lay fiainam-baovao
Miandry ahy ,miandry hatry ny ela
Vonona hifona sy hifamela
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 13:42)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 10276
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hanitsoa
Daty : 28/04/2006 11:37
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122