Hamerina

Lohateny Hamerina
Nampiditra antsiry
Tamin'ny 13/05/2006 11:57
Vangy : 482


Hiverina indray hamonjy anao

Handrava sy hanova ireo nankalao 

Hasambarana ho ahy sy ho anao 

Hiaraka higoka ny mamy vaovao 



Na hangatsiaka aza ka mety ho ngoly 

Fa feno fanala ny maraina ety

Tsy maintsy hiainga, maika ny ho tody

Hamoha indray ireo efa matory

Ka hanova lay fahoriana ho fifaliana

Ireo tonta havaozina indray ho azo iainana



Manantena aho fa mbola ao ianao

Miandrandra mafy lay fiainam-baovao

Miandry ahy ,miandry hatry ny ela

Vonona hifona sy hifamela
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082