Efa nomeko ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahiny aho raha nitia tsy nohenoinao
Nanome ny rehetra fa nolavinao
Ireny rehetra ireny tam-pitiavana
Saingy ny nasetrinao fandavana
NAleoko mihintsy nangina, nanadino anao
Nandeha nitady olon-tiana hafa vaovao
Olona anankiray hiarahana
Sy mba hifampizarana fitiavana

Ka efa nomeko, nomeko azy ireo izay rehetra
nomeko anao t@zany
Efa nomeko, nomeko koa ilay fitiavako izay
natositosikao t@izany
Nomeko azy fa tsy nilainao

Ankehitriny ianao mitady ahy
TE hamerina indray ireo lasana
Izaho anefa aty efa nanadino
Efa mibanjina indray izay ho ampitso

Ka efa nomeko, nomeko azy ireo izay rehetra
nomeko anao t@zany
Efa nomeko, nomeko koa ilay fitiavako izay
natositosikao t@izany
Nomeko azy fa tsy anjaranao

FA misy fetra ihany ny zava-drehetra
Toy ilay fitiavako anao izay tsy afaka mitoetra ô!ô!ô!
FA efa nomeko azy (3) hiadananay...

Ka efa nomeko, nomeko azy ireo izay rehetra
nomeko anao t@zany
Efa nomeko, nomeko koa ilay fitiavako izay
natositosikao t@izany
Ka efa nomeko, nomeko azy ireo izay rehetra
nomeko anao t@zany
Efa nomeko, nomeko koa ilay fitiavako izay
natositosikao t@izany
Nomeko azy fa tsy nilainao
Tsy nilainao, tsy anjaranao!

ZAY
--------
Rohy:
Hevitra
mamiando ( 17/08/2017 18:36)
Efa nomeko azy.iadananay
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 20961
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ari.malala
Daty : 24/08/2005 09:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735