Pattrônjato (Wada & Yoongs)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Kamo be tenda sy be torimaso
Arahana x4, pattrônjato sy mofo voalavo
Arahana mangirifiry

Toujours copier mais jamais égalé
Les proprietaires de domaine sont de retour
Payer les loyers, aza mifapi-domaine eh

Mitady sera amidy, na maloto maloto
Raha tsy manambina atoandro iny, hanaovanay vorondolo
Etsy andaniny ny olana miseho ho biby, hanangananay komondro
Izahay tsy hitolefika izany, f'efa morale commando
Ilaozy matory eo fa mandeha ny lera
Taory nefa efa mamaky kariera
Ialahy 'ty variana mi-mast arriere
Amboary ny anao fa ny an'azy tsy omeny
Mbola ao ve ry voa vavahady, lafo daholo ve ny koba amidy?
Aloavy ny trosan'olo, f'aza variana mifosa an'azy

Bodofoka ny entan'i Neny, manintona mpijangajanga
Tsy akombona mihitsy ny vava, misy safotra izay vao mirava (pénalité)
Sisasisa-na PPS, salaud
Kaokaofina ihany fa sao rentable, kasikasika goaka
Matikambo be tsy avec "S", voaray izay voakasika be amin'izany
Rovidrovitra fiainana be kongoroty
Kibo-na vampire

Ref:
Kamo be tenda sy be torimaso
Arahana x4, pattrônjato sy mofo voalavo
Kamo be sembana be fo miafy eh!
Nefa mi-etude ny ho mandina be

Tsisy hameno manalalondon'ny vilia-nao
Lalin-tsaina amin'ny ratsy fotsiny navany ty!
L'avenir efa matroka nefa tsy mahamaika an'ialahy
Vao tsy bex firy akory dia mipoitra ny toetra ratsy
Fitaka ilay beauté, tsy marina ny hamanjany
Namana be dia be fa tsy manati-bary ireo raha mihidy any
Kay kosa le! Izany fikan'ialahy
Vao teo no Annita dia efa Natacha
Efa tiavin'ny olona tsisy fitiavana, tant pis pour toi
Izahay tsy resin'ny sopatra lesy merci mon Dieu

Manao toetra-na rambon'alika
Mipelipelika rehefa milay, miforiporitra vao misy sarotra
Toujours tarisina foana
Ny an'ity ny olana ao tsy omby loha mampangalatra, manaranaka mihitsy
Androany aloha tsy an-kanome ka, sao mamindra sahirana
Mizôngla aty dia mijômbla ary, fa 'lay zokin'ity amin'ny chambre ary
Zandrin'ity mba tsindromiko aty, dia 'zay tonga alohaloha mba manasa vilia
Tamàna amin'ny concombre de mer an'i zokibe kiala
Be revirevy kanefa tsy miasa ...ory ry kiala

Ref:...

Iandraso eo ry fady akana, sady nandeha izahay no anamboatra ny lalana
Indraindray mba fitiavana koa ny mandroaka namana
Atsanganay As de Piques ny sekta feno Joker milentika
Bakarta tsy hivoatra mihitsy tsy tanjona, diso ianao mon ami oh!
Voa-petsy no vokatra tsara indrindra eto, fa samy mba mpamboly ny aty oh!
Zahay tsy maintsy manadroadro, fa courage

Ivavahako Jesosy mba hanisy tsiasisa, hampitombo ny vatsy, hampitombo ny vintana
Madimoazely tsy maintsy maditra, na misy tsy hisasa na misy tsy hifitra
Tarehany koa aloha tsy ratsy, mortadelle tsara sokajy
Mangidihidy lava ny tanany, lazainy fa vola nefa aretin'aty
Valombenana bota tapany, mailomailo fa honahona
Laingalainga sy fitapitaka, efa kapoakam-bariny io oh!
Efa zatra voakaikitra izahay, ka lasa tsy mahatoky bisous anie
Mangidy ny fiainana fa isanandro ny anay fety eh!
Maramara ny sainy, normal raha mbola borety eh!
Hatavezo ny paosy oh! Vao mifanametatra

Tsy izay tian'ialahy anie io eh! Tsy izay mana-bebe ny benef
Sy ilay mampirevy ny mpanjifa
Dia raha tsy mety amin'ialahy izahay, mety amin'ny vavy
Tsifotsifoka karatoa, lasopy ronina tanan'akanjo
Sotrobe fitorahana alika no andoarana an'azy
Tsisy jerena mihitsy, ny eo aloha
Tsisy jerena mihitsy, ny ao ariana
Tsisy jerena mihitsy, any amin'ny tongony vao misy vodiny

Ref:...

Raha misy ny miakatra atsy, dia misy mitesaka ny ary
Raha misy ny valaka atsy, vaomay mitambesatra ny ary
Ka na hoe mipasaka ary, ny andr'i mamanareo angah mitambatra letyh
Raha vao misy tafa ny atsy, manao lalimanga ry tazyh oh

Sa ahoana, sa ahoana, iza no sahy hanadiso an'izany
Tsy ialahy aloha dia tsy izaho
Dia ilay marina no diso sa ilay diso no marina?
Eny hoa eh! Efa izaho no Naval
Fa ireo tsy mipasoka akory eh!

Ny akoho fitiavana, ny akanga fanolana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Wada & Yoongs
Vangy : 87
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 08/05/2025 12:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.08